N’inon’inona izay hokasaina
Ry olombelona mbola miaina
Dia tadidio mangataha Fanahy Masina
N’aiza n’aiza sehatra misy anao
Na inona asa atao sakaiza
Mangataha Fanahy Masina
Avia Fanahy ô
O Fanahy masina ô midina
Ka avia mitoera amiko Hianao
Midira Hianao, ato anatiko
Avia avia Hianao Fanahy Masina ô
Hianao Mpampianatra tsara indrindra
Mpitarika amin’ny fahamarinana
Tantanonao ‘zahay Fanahy Masina
Fa hitory Anao Andriamanitray ô
Hatreho izao fotoana izao
Mibitsiha Hianao Fanahy ô
HALLELUIA
Hidera an’i Jehovah
Amin’ny foko rehetra aho
Am-pivorian’ny marina
Sy ny fiangonan-dehibe
Manao izay ahatsiarovana
Ny fahagagana ataony izy
Miantra sy mamindra fo
Mamindra fo Jehovah
Madera sady malaza
Ny asany ny asany
Ary ny fahamarinany
Maharitra mandrakizay
Ny fahatoharana an’i Jehovah
No fiandoham-pahendrena
Maharitra mandrakizay
Ny fiderana Azy
Ny fahatoharana an’i Jehovah
No fiandoham-pahendrena
Maharitra mandrakizay
Ny fiderana Azy
Madera sady malaza
Ny asany ny asany
Ary ny fahamarinany
Maharitra mandrakizay
INTY AHO RAIKO
Ray ô, mpanota tsy mba mendrika ity zanakao
Malemy saina hany ka dia mora lavo
Ray ô, mba te ho marina aho eo anatrehanao
Kanefa Ray ô lalankafa indray
No mba nalehako
Fa tsy ilay lalantsara efa nizoranao
Mbola hifonako ry Raiko tena tia
Mbola hinoako ilay tananao mitsotra
Mitantana ahy misarika ahy hanaradia
Fehezo tano aho Raiko tia ô
Ray ô, Tena mba haiko ny mangataka aminao
Sy ny manonontonona ny anaranao
Ray ô, Mahay ny fombafomba fanompoana Anao aho
Kanefa Ray ô be ny diso vitako
Ary mandika ilay lalan-tsara efa nizoranao
Mbola hifonako ry Raiko tena tia
Mbola hinoako ilay tananao mitsotra
Mitantana ahy misarika ahy hanaradia
Fehezo tano aho Raiko tia ô